ATRIKASA NIARAHANA TAMIN'NY CDBF

Fanamafisana ny Fitantanam-bola: Atrikasa ho an’ny FDL niarahana tamin’ny CDBF

Ny Filankevitra ara-Pitsipika momba ny Tetibola sy ny Vola na ny CDBF dia rafitra mpanara-maso ny fitantanana ny volam-panjakana.

Manana andraikitra lehibe amin’ny fisorohana ny fahadisoam-pitantanana ity rafitra ity, ary manana fahefana hanasazy amin’ny alalan’ny lamandy raha toa ka misy ny fandikan-dalàna voamarina.

Mba ho fanamafisana izany asa fisorohana izany, nisy ny atrikasa notanterahina teo anivon’ny « Fonds de Développement Local (FDL) » ny 27 martsa 2026 lasa teo. Ny tanjona dia ny hampahafantarana ny andraikitra sahanin’ny CDBF, hisorohana mialoha ny mety ho fahadisoam-pitantanana rehetra, ary hamporisihana ny tomponandraikitra hanaraka ny lalàna eo amin’ny fitantanana ny volam-panjakana.

Anisan'ireo tonga namaly ny antso ireo mpisehatra eo amin’ny fitantanam-bola sy ireo mpikambana mandrafitra ny Filankevi-pitantanan’ny FDL.Araka ny nambaran’ireo mpandray anjara, zava-dehibe ny fisian’ny fihaonana tahaka izao mba hanatsarana hatrany ny fitantanana sy hampitomboana ny fahaiza-manao eo amin’ny fanatanterahana ny asa.

Ity fotoana ity ihany koa dia nahafahana namantatra ireo mampifandray ny asan’ny FDL sy ny CDBF. Tanjona ny hisian’ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa ho avy, indrindra ireo izay iantsorohan’ny FDL any anivon’ny faritra.

 

Renforcement de la gouvernance financière : Atelier du CDBF avec le FDL

Le Conseil de Discipline Budgétaire et Financière (CDBF) est un organe complétant la chaîne de contrôle de la gestion des finances publiques. Il joue un rôle crucial dans la prévention des fautes de gestion et dispose d'un pouvoir de sanction par voie d'amendes en cas d'irrégularités constatées.

Afin de renforcer cette mission de prévention, un atelier s'est tenu au sein du Fonds de Développement Local (FDL) le 27 mars 2026. Cette rencontre visait à faire connaître les missions du CDBF, à anticiper et éviter d'éventuelles erreurs de gestion et à sensibiliser les responsables au respect strict de la légalité dans la gestion des deniers publics.

De nombreux participants ont répondu à l'invitation, notamment des acteurs budgétaires ainsi que les membres du Conseil d'Administration de cet organisme public. Selon les participants, de telles initiatives sont essentielles pour améliorer continuellement la gestion des fonds publics et accroître le professionnalisme dans l'exercice de leurs fonctions.

Cette rencontre a également permis d'identifier les points de synergie entre les activités du FDL et les missions du CDBF. L'objectif est d'instaurer une collaboration étroite pour les futurs projets déployés par le FDL dans les différentes régions.